HO  ZAKAIKO


Ho zakaiko
Zay an jara omenao ahy
Fa satria Ianao no Raiko
Sady Tompon'ny Fanahy

Na hanafaka ny aiko
Zay anjara omenoa ahy
Hozakaiko
Vonona aho ho lehilahy

Ka ny hazofijaliana
Holanjaina noho Ianao
Rony kapoka hihafiana
Raha izay no sitrakao

Ny hilaozan'olon-tiana
Ny hamoy harena be
Mbola azoko hihafiana
Raha Ianao no manome

Faizinao aho mba ho hendry
Ka tsy hanadino Anao
Andriamanitra ô Mpanendry
Zao fiainako eto izao

Enga anie ny hadalako
Mba tsy hotsarovanao
Zay no hery hahazakako
Fahoriana toy izao.

Na hanafaka ny aiko
Vonona aho ho lehilahy !


Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Solo


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)