HOY IANAO
Hoy ianao :
Ny niainana tsy vita moramora,
Fa mihasarotra isan' andro, isan'andro,
Isan' ora !
Fa na dia hisy aza izany na tsy hisy
Ny omaly ihany no mbola androany
Tsy ampiampy foana ny ato an-trano...
Hoy ianao :
Mbola ho hitantsika ny hasambarana !
Mba efa sasa-niandry aho
Tsy mbola hitako nanarangarana...
Fa na dia hisy aza izany na tsy hisy,
Ny omaly ihany no mbola androany,
Tsy zarizary aky ka mankarary...
Hoy ianao :
Hiezaka aho hanao ny mety
Ma hameran' indray ny lohantaona,
Vetivety !
Fa na dia hisy aza izany na tsy hisy,
Ny omaly ihany no mbola androany,
Manahy mafy aho, mangatsiaka aho...
               ( 
geocities.com/thetropics/shores)                   ( 
geocities.com/thetropics)