IKALA  MANJA ?


Lasa ao andrefana ao re ny mpilanja
Lasa ao avaratra ao ilay ikala manja
Raha satroka mitolila marina raha tiako
Raha vady mampifilafila marina tsy hariako

Nivarina andrefana any ary ilay Ikopa
Nanao be hitsin-dalana misononoka
Ikala nanaraka azy maha-saro-piaro
Efa any Mahajanga vao mahatsiaro

Nanofahofa lamba izy ka tsy tana
Efa nifankahita vao nihanahana
Niverina tao am-pony ary ilay fitia
Izay vao nibabababa mifona akia

Tanana nilaozan-kira iny ka nangina
Lalovan'ny olo-manina dia variana
Niezaka hikopak'elatra izy tsy tafita
Manafatra ranomasina sisa fika

Aleo re hivalona eo iny fa tsy anjara
Ndrao zary nofinofy ka hanadala
Raozy tsy haniry aty indry ka soava
Ny anay raozy eny amoron-dalana mbola ho lava


J.C. Ranaivoarison - Erick Manana - F.D. Rabenirainy

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)