ILAY  INOAKO



Ny Andriamanitra inoako
Dia Andriamanitra fitiavana
Tsy Andriamanitra masiaka, mpanasazy
Tsy Andriamanitr' antoko 
Tsy mpanavaka foko 
Tsy mpijery harena na fihaviam-pirenena
Ny Andriamanitra inoako antra sady onena
Ka ny olon-drehetra mahazo Azy
Tsy mpamorona helo, tsy mpizara alahelo
Fa Izy no Fitiavana.


Ny Andriamanitra inoako : Tompo' ny Fahendrena
Te hanova ny ratsy mba hotsara 
Tsy mba faly manjera na revolisionera
Fa manarina hatrany ireo maditra eto an-tany
Ny Andriamanitra  inoako : Andriamanitra Fitiavana
Tsy mba mila takalo fa mizara
Ny mandray izay omeny 
No hany fandreseny 
Fa Izy no Fitiavana !



Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Bessa


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)