ILAY TAKARIVA KELY
'Lay takariva kely tery amoron-kady
Toa volana tantely nandramanay sahady
Tery am-pita kosa ireo kirihitr'ala
Ny vorona misosa mihira ray lala
Ny rahona misaly
Toa lapa volamena
Isika samy faly
Fa tsara fanekena
Ny riana any an-koatra
Hanatona ny ony
Ny foko izay mandroatra
Fa tia tsy mitony
Justin RAJORO
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)