INDRAINDRAY



Indraindray tsapanao
Ao anatinao ao 
Hery mampientana tsy hay
Mihira  ny fo ravo kanefa moa 
Latsa-tomany koa indraindray


Sendrasendra ireny indraindray
Toa fanahy miteny indraindray
Miboiboika avy ao
Kalo ela sy vao
Feo mahazendana indraindray


Tadidio anefa f'izay
Akom-peo miantefa izay
No lasa tsy nahy
Rotsirotsim-panahy
Ako maharitra Doria .



Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Lola


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)