INJAY FEOM-BORONA
Injay feom-boro-mikalo
Naseran'ny rivo-mandalo
Kinanjo ny vokany hoy aho
Manjary toa mampitalaho
Jereo 'ty andro mipoaka
Ny aizina dia lasa voaroaka
Kinanjo manjombona ihany
Fa izany no fomban'ny tany
Ny tany, ny hatanorana
Tsy tena tomombana akory
Raha izany no ialana
Anio dia mandeha matory
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)