INJAY MIDONA ANY HO ANY


Injay midona any ho any
Kotroka mamelovelo
Ka ny fo izay toran-tany
Mahatsiaro malahelo

Tselatra mamono maso
Mampanembona aok'izany
Injay toa manao ankaso
Izany vetso dia tsy lany

Mivatravatra any ho any
Fahavaratra izany andro izany
Izay anjara ho avy
No andrasana isan'andro

Mangina ka miandry
Andro iray hiavian-tsoa
Ka ny saina tsy tafandry
Maniry mba ho tody soa


Thérack
(B. Rarivo)


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)