INONA NO MAMPAHORY AN'INENY
Inona ho'aho re, ry Neny ô
No zavatra dia mampahory
Idada no toa vitsy teny
Marary sa be sorisory
Tsy azo atao ny milaza
Fa aretina tena tsy toha
Tsy zakan'ny sain'ity zaza
Fa aretina momba ny loha
Lazao iaraha-mitafa
Tsa zakan'ny zaza tanora
Lazao re izay fanazavana
Mandetika toa rano mody
Izahay re ka zaza tanora (mitsilany mandrora)
Tsy hamono ny zakan'ny tody (ity kapoaka)
(Izahay mitsilany mandrora)
Justin RAJORO
("Saro-bonoina", Rodlish)
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)