ITY TANAKO

Ity tanako nanoratra ho anao
Efa reraky ny ela !
Efa trotraky ny taona,
Tsy hahasoratra intsony,
Izay rehetra nokoboniko,
Tato anatiko mavesatra ny alahelo

Angamba efa tsapanao
Fa ho rakotra alahelo,
Ity fiainako mahantra
Toa mihamaloka indray,
Sy voararim-belovelo,
Raha toa tsy nandre intsony
Irony angolagolanao

Io fitiavana io ihany
No nahatonga izany
Fantatrao fa mbola tia aho,
Fantatrao fa mbola babo aho !
Fantatrao fa mbola nisy,
Olona iray tsy nanadino anao !
Fantatrao fa nisy izany,
Nefa tsy nosaininao !

Angamba ...

Io fitiavana io ihany ...


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)