IZAHO ANIE RAVORONA


Izaho anie Ravorona
Te hiaraka aminao
Hikopakopak'elatra
Hihira sy hilalao
Raha tsy eo anilanao
Dia tonga manirery
Izao anie ry vorona
Tomany toa jorery

Ny hirahiram-poko
Dia toy ny voninkazo
Angolangola ihany
Toa rano an-tanam-bazo
Kanefa anie ny foko
Misento lavitra any
Ny vetsovetsom-pahoriana
Sao mba reny ihany


Thérack


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)