JESOSY TAO KANA
Jesosy nanao fahagagāna tamin'ny voalohany
'Reo fianakaviana nikorana no nanombohany
Lany ny divay tao an-tanāna tsy'sy hosotroina intsony
Ny Tompo Jesosy koa nasaina sy ny mpianany
" Tapitra ny divay, inona no hatao ? "
Somaritaka tamin'izay ry zareo
fa tsy misy hosotroina intsony e
" Tapitra ny divay, inona no hatao ? "
Dia hoy Jesosy Tompo raha nandre fa tapitra ny divay :
" Ireo manoloana ireo ny siny faingāna ka fenoy rano,
Aza misalasala intsony tsy ho foana ny fanasāna,
Tovozy amin'izao ka mandehana ny rano tonga divay "
Fifaliana indray ny tao Kana nahita 'ty fahagagana.
Voaloham-pahagagana
Jesosy tao Kana
Nifaly sy nikorana ireo olona
Tao amin'ny fanasāna e
Heniky ny hafaliana
'reo nisotro 'ty fitahiana
Jesosy no nanova tamin'izay
'Lay rano tonga divay
Tonony sy Feony : Jean Claude Ramanitrarivo
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)