JIRO KELY

Jiro kely iray
No nirehitra tato an' efitro
Ao anatiko ao injao fa midoboka ilay fo

Ny alina ety miantso torimaso mamy
Ny haizina ety efa mandrakotra ny tany

Ritsoka malemy
No reko avy any ivelany
Efa renoky ny tory
Ny voaary manontolo
Tsiaro manjavozavo no nijanona ho ahy
Ny saiko kosa efa ngoly
Ny torimaso re...


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)