KABARY
Azafady re fa mba mangataka fitenena aho
Miala tsiny, miala fondro, miala satroka re tompoko o !
Satria izaho miteny dia tsy zokiny fa zandriny indrindra
azafady re, azafady re tompoko o !
Nolazaina fa ny olona rehetra dia mitovy zo
Nolazaina koa fa ny olona rehetra tsy mitovy fo
Misy ihany anefa, misy ihany anefa no mbola mitomany.
Tsy rariny raha mbola misy jeri-tavan' olona
Tsy rariny raha mbola misy antokotokon' olona
Tsy rariny raha mbola misy teny midina
Tsy rariny raha mbola misy farahidiny
Tsy rariny raha mbola misy tsindry hazo lena
Tsy rariny raha mbola misy didy fanerena.
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)