KITAN-KELY  MITSILOPY


Kitan-kely mitsilopy
Raha jerena mampahory
Maso ditsoka mitopy
Tsy mahita tsara akory
Ny miaina izao tsy tiako
Ao ny fasana hodiako
Torotoro ilay zozoro
Tsy mijoro fa mikoro

O ry razana efa lasa
Mba alao 'ty kala adala
Fa nivadika ny rasa
Ka ny aiko tiako hiala
Razantsika izao no himalo
Ka ny aiko no takalo


Naka RABEMANANTSOA


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)