KIZITINA


Mbola mikiry manantena anao
Na dia impiry no voafitakao
Nangirifiry ny masoko roa
Nila tsy ho toha 
Nefa ho aiza moa
Nangina fa voa


Nenina sisa lova napetrakao 
Natao tanisa hahatsiarovako anao
Nefa tsy leony fa nisisika ihany
Ny saiko miteny mampanantena ihany


Mbola hikiry hanantena anao
Na dia impiry no hofitahinao
Midiridiry ny masoko roa
Mijery eo aloha
Fandrao mba mifoha ,
'Lay fitia taloha



Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Lola - Dora


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)