LAHY E
Lahy e ! Raha ho avy ny oram-pahavaratra
Lahy e ! Manaova aro-riaka raha main'andro
Lahy e ! F'andrao safo-drano ka hanenenana
Lahy e ! Raha mila handady àry itony trambo
Lahy e ! Ingao mora ny tongotrareo e
Lahy e ! F'andrao dia ladininy ka atambo
Lahy e ! Ka farany dia fahoriana
Lahy e ! Manao sori-baton'ilay jamba
Lahy e ! Voa anie izy vao mitanila
Lahy e ! Raha sendra an'ireny mahantra loatra
Lahy e ! Miantso dada nefa aiza intsony
Lahy e ! Maniry reny nefa tsy hita
Lahy e ! Nankaiza Izoky, nankaiza Izandry
Lahy e ! Ka farany dia mitaraina
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)