LASA TOKOA
Lasa tokoa re izany andro fahiny
Namiratra tsy nisy tsiny
Andro korana niravoravoana
Nandalo toa zavona foana
Eny tsaroana fa tamin'ireny
Velona teo i Dada sy Neny
Nefa indrisy nankaiza izy izao
Nafoy sy lasa nandao
Lasa nilentika re ny masoandro
Nisitrika mbola atoandro
Ary ny volana manko nisoka
Niserana sy toa nanodoka
Eny ry andro nandalo
Andro nandatsa ny foko nimalo
Ilay fifaliana niserana ihany
Nodiasan'ny sento tsy lany
Andrianary RATIANARIVO
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)