MALOK'ILA


Nihamalok'ila indray ny lanitra
Manjombon-takariva masoandro sasatra
Ny volon-drahon'iny tsy hay tazanina
Nipaika ity ilay ora fitsaharana

Nikopaka ny arosy tsy hay notanana
Hangina ny kamory nilaoza-namana
Fa tratra hariva irery an-tanin'olona
Tomany fa te hody ravalovotaka

Hatreo aloha ny anio ka aleo faranana
Izay vita no hifalio fa tam-pitiavana
Raha misy ny alahelo toneo tsy hiraraka
Ny ranomaso fero tsy hipatrapatraka

Satriko ny hitoetra tsy hifandao lala o !
Voatery hifametra fa lavi-dalana
Diavolan-ko lava, lalao koa mbola ho ela
Mbola hifanatri-tava izay no efa nekena


Erick Rafilipomanana


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)