MALOKILA


Zany foko manjombon-dava e
Malokila e, tsy mitony anie ka mitady mazava
Aza kivy re Ramatoa
Oriory e ! Tsy eo anilan'ny sombinaina e
Ory loatra e, ory loatra re raha ilaozanareo

Any andro any volana anie
Hampitony, hampitony ny fo
(Ka) Aza kivy na mba ketraka ianao e
Hiara-paly fa samy tia e
Izany sento tsy maharitra e
Fa mihelina ihany

Maizim-bolana takariva e
Izany saiko e lavi-tiana re
Tsy mahita ny tiana
Aza kivy re Ramatoa ô
Oriory izany saina fa singan'olona e
Ory loatra e, ory loatra re raha ilaozanareo


Justin RAJORO


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)