MAMPAMANGY
Raha hitanao izay dia
Ambarao azy hoe
Tsy manadino hoe ny aty
Sanatria
Am-pony foana hono hoe
N'aiza n'aiza no aleha
Tsaroany foana ianao
N'inona n'inona atao
Lavitry ny maso
Fa akaiky ny fo
Any andro any taona
Tsy maintsy mihaona
Raha hitanao izy dia
Ambarao azy hoe
Angamba hono hoe ianao
Nahita vao
Fa sasa-niandry hono hoe
Valin-taratasy
Hiova fitàna hono ve?
Hiova lasy
Sa lavitra maso
Dia lavitra fo koa?
Sa efa hadinonao
Ny voady izay natao?
Raha hitanao izy dia
Veloma any aminy
Raha hitanao izy dia
Veloma any aminy
Raha hitanao izy dia
Mampamangy ny aminy
Texte et musique : ROSSY
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)