MANDINIHA KA MBA SAINO
Mandiniha ka mba saino zareo
Aza fatra mpialona foana
Ny ora tsy afaka hitaona
Hiampanga ny ratsy atao
Ka tsy azo ialana na ho aiza na ho aiza
Ny tody anie ka akaiky
Ny atao no miverina koa
Ny tamana mitetika ny hafa
Tsy ho ela dia izy no ho voa
Eritrereto zareo ka mba mianara
Aoka ho anatra izao
Ny nenina anie manody
Ny fahamarinana re no mitsara
Ka resy tsy miady ka dia avelao
Andeha re misaotra anareo re
Ka dia misaotra, misaotra tokoa re
Ka mandehana mipetraka izao
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)