MASOANDRO
Ho jamba ny andro
Hangina ny ala
Raha toa ny masoandro
No lasa miala
Raha hilaozanao 'zao tontolo izao
Angamba dia ho lao
Masoandro
Fa ny taratrao sy ny herinao
Mampanjaka anao
Masoandro
Mbetika mazava
Miramiran-tava
Nefa malok'ila
Mampifilafila
Satria ny fitia
Tsy mba toa anao
Tsy mety mandao..... Masoandro
Dia mba atoroy
Ireo mpifankatia
Tsy hifankafoy..... Masoandro
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Lola
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)