MATY


Maty ilay mpivarotena
Maty tsy nisy mpanontany
Maty tsy nisy mpahonena
Maty tsy nisy mpitomany

Ny mpivavaka nandalo
Dia nisaotra ny Andriamaniny
Fa afa-doza nampimalo
Hono izao ny tany maminy

Tsy mba olona tomefy
No namoaka izato faty
Fa tovovavy jefijefy
Na fiaina na fitafy

Ny iray niantso an'Andriamanitra
Vatambatana fiteny
Omeo azy re ny lanitra
Fa ampy izay ny afobeny



Tonony : Rado
Feony : Bessa
Mpihira : Lola


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)