MBA  ENTO


Refrain :	
Na mbola eto Madagasigara, na any am-pita
Rehefa toera-manantantara, tiako ho hita
Mba ento aho, ento aho hanaraka anao

Fahiny isika roa
Nazoto nifanjoy 
Mpifankatia tokoa
ka tsy nifankafoy
Ankehitriny izao
Tsy miova ny fitia
Fa noho ny asanao
Ianao miriaria.

Izao tontolo izao
Tetezina avokoa 
Efa voatsidikao
New-York, Paris, Moscou
Koa iangaviako anao
'Ndraindray rah' sikatrakao
Rah'toa ka azo atao
Mba ento ! vadinao !	

Na mbola eto...

Hataon-tsika fanao
Ny miaraka mandeh'
Rehefa taombaovao
Na mai, na juin, na juillet
Toy ny mpivady vao
Hidola isika roa 
'zay tany misy anao 
Mba hisy ahy koa

Izao tontolo izao 
Tetezina avokoa
Hiaraka aminao
NewYork, Paris, Moscou
Ny fiangaviako anao
Ekeo raha sitrakao
Rah'toa ka azo atao
Mba ento ! vadinao !      

Na mbola eto...

Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Bodo


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)