MBA  SAINO  RY  LAHY


Mba saino ry lahy izao teny izao
Jesosy nijaly sy maty ho anao
Noesoesoina, noharatsiratsiana
Na dia olo-marina tsy nanan-tsiny
Tsy foiny ho very anefa isika taranaka mandimby
Ka dia nafoiny hohomboina ny tenany

Natao ho mahantra mba hamonjy ny ory
Jesosy nateraka an-tranon'omby
Ny mpanana anefa tsy diso anjara koa
Satria Jesosy dia Zanaky ny Avo
Tsy tonga hamonjy ny marina anefa Jesosy
Fa tonga mba hitady ny olona very

Mandondona ao aminao Jesosy anio
Mba te hitoetra an-tokantranonao
Voahay varavarana re ny vahininao
Fa Izy no manana ny vahaolana ho anao
Hatramin'izay ka ho mandrakizay
Tsy nisy nanenina izay nampiantrano ny Tompo Jesosy


Tonony sy Feony : Dimison


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)