MBOLA MANINA VE
Mbola manina ve no dia mametrapetraka
Vointenanareo hanimba ilay fitiavantsika
Ianao no adala Ramatoa fa miavo-tsahala
Na ts'isy todiny aza izao e ! andrasako ny rariny ô
Samia ary masina an-taniny
Aza kivy na mba taitra, ô ry tia fihavanana eto
Ianao no tsy tia, izahay koa mianjona
Mba tsy hahatsapa ny mafaitra, mbola hiandry rariny e !
Fitia tsy tanteraka ve Ramatoa
Ny ratsy ataon'ny olon-tiana mampanjohy ny ranomaso
No hanaovana an-dolom-po
No sakanan'ny havana fa ny rariny andraso
Adalanao mihevitra izany
Ny rariny andraso
Raha ny hava-nitokiana ô
No manjary be ankaso ô
Aiza re 'ty fahoriana e
Ao ilay rariny andraso e
Fitia tsy andrin'olon-kafa
Dia andrasa ihany
Aoka izay aloha ny tafa e
Aoka koa ny tomany ô
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)