MBOLA MISY


Ny aizina efa lasa
Mazava izao rehetra izao
Ny saiko tany ho any
Mitondra hafatra ho anao

Mbola misy izay tavela ato am-poko ato ho anao
Mbola misy bitsibitsika tsy afaka mandao
Haiko antsoina ihany ny fanadinoina
Haiko mora ihany ny mifanao veloma
Saingy ao an-tratra mamelovelo ao : « tia anao »

Indray maraina tsaroako izany
Mitady anao hatraiza hatraiza
Tsy nahita anefa ka tomany aho
Nivetso izao hafatra izao 

Mbola misy izay tavela ato am-poko ato ho anao
Mbola misy bitsibitsika tsy afaka mandao
Haiko antsoina ihany ny fanadinoina
Haiko mora ihany ny mifanao veloma
Saingy ao an-tratra mamelovelo ao : « tia anao »


Ny Railovy


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)