MIAKA-MIDINA

Miaka-midina ny fiainana, mihilangilana mihodina
Nefa toa tsy mbola taitra foana ianao
Maty omaly ilay vendrana, ilay adala tao an-tanàna
Nefa toa tsy mbola taitra foana ianao

Fa mora dia mora ny mihalangalana
Tsy sarotra akory ny manafina
Andraikitr'iza ary izany hoy ianao
Fa mora dia mora ny mihalangalana
Tsy sarotra akorv ny manafina
Andraikitr'iza ary izany hoy ianao

Solafaka ilay tovovavy, afa-baraka ny mpianakavy
Nefa toa tsy mbola taitra foana ianao
Mangalatra ny sasantsasany, io no ataony laha-asany
Nefa toa tsy misy dikany ho anao

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)