MIFANKATIAVA  IHANY


Mifankatiava ihany
Raha mbola velon'aina
Tsy misy toy izany
No mampifaly saina

Ny maty efa lasa
Tsy azontsika antsoina
Isika no mikasa
Ny ratsy ho hadinoina re

Koa raha tsy fotoana ela
No hipetrahana eto
Andeha re mba hifamela
Mba tsy harahin-tsento


Naka RABEMANANTSOA

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)