MISEHO TELE
Raha vao miseho télé ianao tsy maintsy tratry ny hoe
e ! e ! henoy ange !
Toa olom-pantatrao daholo ny eny an-dalambe
e ! e ! henoy ange !
Na mbola zazabodo izay na efa dadabe
e ! e ! henoy ange !
Ianao 'lay hitanay niseho tele.
Izany ange no mahatonga anay tsy mba hierikerika
Tsy miavona izahay, fa menatra izahay
Izany ange no mahatonga anay hanafinafin' endrika
Miampifipify lava no ataonay.
Tsy maintsy tratry izao ianao raha vao miseho tele
e ! e ! henoy ange !
Na eny ambony bus ianao na akaikin'ny lycée
e ! e ! henoy ange !
Sakaiza mpiara-miasa, olom-pantatra ela be
e ! e ! henoy ange !
Ianao 'lay hitanay niseho tele
Fa misy hafa kosa amin'ireo niseho tele
e ! e ! henoy ange !
Tsy miandry ny mpitazana izy fa izy indray no hoe
e ! e ! henoy ange !
Mideradera ery fa hoe efa vedette be
e ! e ! henoy ange !
Izaho 'lay hitan ao niseho tele !
Tonony : Aina
Feony : Bessa
Mpihira : Landy
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)