MISY ANTONY
Izay hitantana ahy tsy maintsy miharitra
Fa hampianatra ahy izay tiany hatao
Azoko hitokiana koa fa haharitra
Ny fitavozavozako fanao
Refrain :
Izany no antony
Andraisako ny fitiavanao
Izany no antony
Ifidianako anao
Izay ekeko ho tena toky sy namako
Ho mpitarika ahy rahatrizay
Dia izay mahay mitana ny tanako
Raha sendra mba lavo aho indraindray
Efa fantatrao daholo ny toetrako
Ka tsy nisy miafina aminao
Hitanao izay tontolo rehetrako
Ratsy ireo na soa imasonao
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Bessa - Lola
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)