MISY  KALOKALONTSIKA


Misy kalokalontsika
Izay tsy maintsy ho voatsiahy
Ho voaloko, ho voakiky
Ao anatin'ny fanahy

Ny tenako mantsy no saraka anao re
Ry kintana kenin'ny hatanorana
Hanjary fisaonana ilay kilalao e
Ho ritra ny ranon'ilay fantsakana

Ny onjam-pahoriana
No sisa mbola andrasana
Ambarapahatonga eo
Ambaravaram-pasana

Ary sento soson-droa
No ho solon-damba mena
No sisa hamonosana
'Lay fo 'zay nanantena


Justin RAJORO
(sy Mpianina)

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)