MITAKY NY TROSAN'NY TANY


Mitaky ny trosan'ny tany
Toloko sy sento hatrany
Fitiavana vao mena vava
Tadiaviny ho simba ho rava

Mangina izany havako izany
Onony 'ty fo mitomany
Ny andro dia mbola hisava
Ny aizina mbola ho rava

Ny fitiavana naie volamena
Sedraina tsy mety mihena
Tahaka ny rano an'ony
Tohaina tsy mety mitony

Ononiko ihany 'ty saiko adala
Raha izay no mba sitrak'i Dada malala
Araho amin'ny onjany ny fizahana
Ankino amin'ny heriny ny fitondrana

Sakaizan'ny velona ny fahoriana
Kanefa anie ka toeran'ilay fihafiana
Hiongotra ho azy tsy mety hihombo
Ho faty mangina toa afon'apombo


Naka RABEMANANTSOA - Justin RAJORO


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)