MIVALO AMINAO


Mivalo aminao anie aho ry tany
Henoinao kely 'ty fo mitomany
Ineny malala efa lasa nankany
Idada tsy foiko avelao eto ihany

Dada ô ! Aiza ny làlana nombanareo
Neny ! Mba homba anareo re no sitrako izao
Aleoko maty manaraka anao
Toy izay velom-poana mijaly toy izao
Dada ô ! Mivalo aminao aho ry tany
Neny ô ! Henoinao 'ty fo mitomany
Fa mijaly aok'izany


Naka RABEMANANTSOA

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)