MIVOLOM-BATOSOA
Mivolom-batosoa ny rahon-takariva
Ny masoandro koa milentika efa iva
Ny rivotry ny ala misoka moramora
Faingana ry malala fa mamy re ny ora
Miantso anao ny foko hiara-dravoravo
Hitsinjo hoso-doko ery an-danitra avo
Iry mangalahala izatsy ny matsora
Faingana ry malala fa mamy re ny ora
Andeha ho adinoina ny sorisorin-tsaina
Ny feoko henoina meteza sombinaina
Raha toa misalasala avia ka mizora
Faingana ry malala fa mamy re ny ora
Thérack
(Ny Havana Ramanantoanina)
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)