MOA NAHOANA NY ANDRONTSIKA


Moa nahoana ny androntsika
No mazana mifandika
Fifaliana mitakalo
Hasambarana mandalo

Ny andron'ny tany tsy inona tsy akory
Fa rano manonja sy mamorivory
Mahalana foana no mety mitony
Mivadika lava ho ambany sy ambony

Dia veloma ry taonan'ny fahazazana
Ry fahavokaran'ny fanantenana
'Lay ora fotoana firavoravoana
Fotoan-tsy nananana izay fisentoana


Thérack


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)