MODY ATAO HOE KILALAO
Kilalaonao aho hoy ianao
Fa nanambady an-jokinao
Zokinao izay 41 taona
Fa ianao kosa ianao
Dia zaza omena kilalao
Satria ianao vao 18 taona
Dia milalao tokoa ianao
lzaho rahateo moa kilalao
Namila ho rovitra aza tsy afaka miteny
Refrain :
Fa ianareo roalahy tsy misy foiko
Samy tiako, samy antsoiko
Saingy anaty ihany no iantsoko inanao
Ka mampirafy tsotr' izao ny foko
Tia anao antsokosoko
Saingy mody atao hoe kilalao
Vao 7 taona mantsy izao
Ny mariazy no natao
Tamin'izay aho 19 taona
Ny zanakay hatramin' izao
Dia mbola telo aloha ny ao
Tsy misy vavy anefa asa angaha nahoana
Ny sangisangin-jokinao
Toa hamporisika ahy hanao
Fahadalana hahazo vavy dia ho ekeny
Fa ianareo...
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Lola
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)