MPANARATO


Olona mpanarato
Mailaka ambony rano e !  (in-droa)

Mandeha, mandeha lakan-drafitra e
olona mpanarato eny izy
Mandeha, mandeha lakan-drafitra e
Tsy mba matahotra onja eny izy e !

Zanaka mpanarato
Mitsimpona akorandriaka . . (in-droa)

Jereo, jereo lakan-drafitra e
Tsy mba matahotra onja eny iny e
Jereo, jereo lakan-drafitra e
Lakana mpanarato eny iny e Ah I

Vadin'ny mpanarato
Tsy afaka tebiteby    (in-droa)

Manahy, manahy lakan-drafitra
Sao dia voatelin'onja eny iny
Manahy, manahy lakan-drafitra e
Vadin'ny mpanarato eny izy e.



Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira :  Bodo

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)