MPIJOKO VOAJOKO
Nanao ho mpijoko kinanjo voajoko
Ataoko mahita fa halan'ny foko
Ny tetik'izao no atao tsaratsara
Fa raha izy iny dia efa tsy anjara
Ilaozako Ankatso tsy ahoako izany
Ambohidempona
miandry eo ihany
Raha hihoatra farihy ny moron'Itasy
Alaotra vonjena fa any ny lasy
Raha izy mitetika hivoaboaka
Izaho kosa hiliba etsy imasom-bahoaka
Izay fatra-pihenjy mamonjy fodiana
Ny terak'Iarivo tsy lany olon-tiana
O ! O ! Ry zareo
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)