NAHOANA IANAO NO TOMANY ?
Nahoana ianao no tomany, nahoana re ?
Nahoana re ? Inona e ? Mba lazao ! ! !
Vintana ve no tsy tsara
Sa ny nofo no misy mijaly ?
Inona e ? (2) Mba lazao ! ! !
Vintana ve ? O jereo ny tany koa
Jereo ny ra mikoriana hatrao
Nofoko ve ? Tsy mijaly sanatria
Ny fireneko migadra mba vonjeo
Ô Hitondray hery vao ny taninay
Masoandro e !(2) Omeo ny anjara taratray
Hitondray hery vao ny taninay
Masoandro e ! Ny taninay
Henoy ny vavakay Tompo ô !
Mba ho Anao
Haleloia, Hosana (2)
Ny Railovy
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)