NAHOANA NO MISENTOSENTO
Nahoana no misentosento
Ianao sombinaiko
Dada ô
Adinonao sahady ve
Tsy adinoko
Lay teniko teto
Vehivavy aho ka mora mangoraka
Ny sento mandalo
Indrisy re
Ry sentosento mandosira
Ry alahelo mba lavira
Ry kalokalo sy ny hira
Mba mandrosoa sy midira
Mba misehoa ry hafaliana
Handroaka itony fahoriana
O ! Mionona ry saina
Fandrao dia mandreraka ny aina
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)