NANTSOIKO
Nantsoiko hianao
Kanefa tsy nivolana
F'izao tontolo izao
Nafoiko noho hianao
Ny fitiavako rehetra
Aoka tsy hanam-petra
Fa taminao irery
Nantsoiko tsy an-tery
Nantsoiko hianao
Ry tiana ry tiana
Fa izao tontolo izao
No henoko mangina
Mikaroka eny ho eny
Ilay tsiky tsy niteny
Miandry anao, miandry mora ihany
Ilay olon-tiako izany
. Feony : Robert Andriantsoavina
. Tonony : Michel Guste
. Mpihira : Salomon
. Mpandrindra :Hary - Bessa - Hery - Kiry
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)