NATAOKO  MIHITSY


Nataoko mihitsy ny hanadinoina
'Lay olo-malalako tsy manoloana
Kanefa ny lāla-niaraha-nizotra
Manainga ny sentoko hipololotra

Nataoko mihitsy ny handinoina
Ilay any lavitra tsarotsaroana
Kanefa ny rano niaraha-nitana
Tazatazaniko lava eo andrefan-tanāna

Ho giazako mafy ny fo sy ny saina
Ho giazako fa sao dia mararin-taraina
Kanefa indrisy sarotra izany
Nihoatra ny bonga sy lasana ihany


Naka RABEMANANTSOA


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)