NDAO HIHIRA
Ilay ianao sahiran-tsaina
Sendra zava-tsarotra
Aza dia miferinaina
Ndrao vao mainka dia mianotra
Manefe saina mijoro
Mafy sy matanjaka
Ka reseo ny horohoro .
Dia meteza mba hitraka
Refrain :
Ndao hihira (bis)
Hira tsotra no hiraina
Ndao hihira
Hiran'ny fitiavana
Ny fifaliana mazāna
Tselatra fifarana
Fa raha tianao ny hitana
Ao am-po ny hazavana
Angalao mpanolokolo
Ny finoana marina
Fa izay rava eo mbola hisolo
Andro hafa hifaliana
Mbola ao koa ny maha-ory
Ikitrohan'aizina
Tsy dia vaovao io akory .
Fa iombonan'ny miaina
Saingy izay mangirifiry
Tratry ny famoizana
No irario mba hikiry
Tsy ho kivy hanantena
Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Bessa - Bodo - Lola
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)