NILENTIKA RE NY MASOANDRO
Nilentika re ny masoandro
Malomaloka koa itony tany
Ry fahafatesa-tsy mitandro
Simbanao ny akany
Itony fo ianjadiam-pahoriana
Koa dia somparanao loatra
Kapakapaina sy asiana
Kanefa saika hivoatra
Aiza ihany no hiantefana
Aiza ihany no mbola haleha
Voasakanao ny hombāna
Voajinjanao ny rehareha
Veloma ! Veloma !
Veloma ! Veloma !
Ry mahery fo
Naka RABEMANANTSOA
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)