NOEL NOEL
Noël Noël
Isan-taona dia injao
Noël Noël
Tsianjery no atao
Noël Noël
Tonta ve sa vaovao ?
Noël Noël
Efa mila tsy ho re
Noël Noël
Ilay teny tsotra hoe :
Noël Noël
" Fiadanana anie "
Minia mikimpy avokoa izao tontolo izao
Ka ny Noely zary andron'ny manan-katao
Odian-tsy hita ireo mahantra marobe 1
Izany no Noely ve ? . .
Mamonjy tavanandro ireo mpihatsaravelatsihy
Ka mody avela kely aloha ny zera baomba ary
Fa rahampitso dia tohizana indray
Ny fomba ratsy hatrizay
Fa miofy akondro vava kosa ireo kamboty ray
Fadiranovana hatrany tsy misy mpandray
Ny maso foana no apitrapitrany eo
Toa miantsoantso hoe " Vonjeo "
Ilay famonjena nodradraina hatry ny ela be
Moa azonay mba antenaina ? Rahoviana re ?
Sa.. ny Mpamonjy tsy mba tonga ho anay
Fa tsy mba ondriny izahay ? .
Noël ! Noël ! Noël ! Noël !
Ankehitriny fantatrao Mba meteza ianao handre
Noël ! Noël ! Noël ! Noël !
Izay tokony hatao Ilay firariana hoe
Noël ! Noël ! Noël ! Noël !
Ho an'ny rahalahinao " Fiadanana anie "
Tonony sy Feony : Bessa - Mpihira : Bessa
               (
geocities.com/thetropics/shores)                   (
geocities.com/thetropics)