NY  AMPITSO  NO  HITSARA


Mifeheza tena, hanampahendrena
tsy ho baikon' ny sendaotra ao ampo
halalaho ny saina, f' aza dia terena
hamaly eo no ho eo ratra iray nahavoa
Mandiniha aloha, aoka tsy ho maika
'ndrao hanenenanao 'zay vita any eo
aleo lavitra aza, mody tsy miraika
Kanjo ny voka-tsoa tena kendreo

Refrain :
Fa tsy maty akory
'zany atao hoe tody
na dia mihamaro ny jiolahy
ratsy fanahy
Koa dia tehirizo
ny fonao madio
aoka ny ampitso no hitsara ny anio.

Ny tanora mantsy dia mangetaheta ,
tontolo soa madio, tsisy longoa
faniriana izany, nefa mahareta
'zay ambolena anio, ela vao mety hamoa
Mamafaza tsara, mambole finoana
fa tsy mandrakizay, 'zao misy izao
mbola hisy andro, ora sy fotoana
tsy nlaintsy hijinjanao 'zay asanao



Feony sy Tonony : Bessa
Mphira : Zoely


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)