NY ANATRA


Ny anatra hono tsy voankazo an'ala
Ka hisy mangidy tsy maintsy aloa
Fa tsipaky ny omby ka tena nipandala
Satria mahafaty raha toa mahavoa

Ny anatra anie toy ny tady hatsipy
Ka samy voasingotr'ireny ny miaina
Ny adala mihilika sady mikimpy
Ny hendry mandalina sady misaina

Ny anatra hono fanao ala-nenina
Ka arangaranga sy afinafenina
Ny anongotsongoina ny maty ho taitra
Ny mandevim-belona mantsy tsy laitra

Ny anatra hono tsy voankazo an'ala
Ka hisy mangidy tsy maintsy aloa
Fa tsipaky ny omby ka tena mpandala
Satria mahafaty raha toa mahavoa

Ny anatra anie toy ny tady hatsipy
Ka samy voasingotr'ireny ny miaina
Ny adala mihilika sady mikimpy
Ny hendry mandalina sady misaina

Barijaona

    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)