NY  DIAKO


Tohizako moramora
ny diako
ny tahotra mpanakora
ariako
hilaozako lavitra any
ny indrisy
ny nenina, ny tomany
tsy misy 

'zay lalana voasoritrao
"ndeha izory 
tsy amponga hoe nahantonao
aho akory
Fa ny fanadinoana anao
raha ilaina 
Tsy zava-tsarotra hatao
e ry aina

Ny lasa niarahantsika 
tantara 
ny ho avy sy kinasantsika
nizara
samia tojo izay iriara
ho tafita 
Fa dia kabary tsy valiana
izay vita...



Tonony : Bessa
Feony : Henri Ratsimbazafy
Mpihira : Zoely


    Source: geocities.com/thetropics/shores/2640

               ( geocities.com/thetropics/shores)                   ( geocities.com/thetropics)